dimanche 30 mars 2008

Aza ampijaliana ny tenintsika

Mba ho fandraisako anjara @ilay hetsika "Aza ampijaliana ny tenintsika" izay naroson'i Lap dia ireto ny zavatra manitikitika ahy sy mba tiako ho zaraina.

Marihiko aloha fa raha izaho manokana, mbola tsy ampy betsaka ny fahaizako teny malagasy indrindra fa ny voambolana sy ny resaka fitsipi-teny izay no saika tsy handraisako anjara :(.

Kay nisy ihany tato an-dohako tato rehefa tena nieritreritra sy nitadidy ny efa reko hatrizay :D

Ilay lalao aloha tsy dia azoko hoe voambolana ve no atolotra sa fanitsiana ny teny fampiasa matetika sa ahoana fa dia mifangaro izy ireto. Ary tsy haiko ny an'ireo mpiblaogy hafa hoe atao ahoana fa ny ahy izay tadidiko no ampidiriko miandalana @zay tsy miparitaka ilay izy. Ary avy eo atao manaraka andro fotsiny (miala tsiny fa tsy haiko ny dikan'ny hoe mis à jour :(()

Ary mety tokoa ve raha hoe mangataka dikan-teny ohatra @ilay izy, sa ahoana?

Atomboko ary:


1- Ny tena tsy azoazoko ny ahy dia ny fitenintsika malagasy sasany rehefa hiteny hoe hoy ny teny vahiny, dia atao hoe: "hoy ny teny baiko!!!!!"
tsy mety ve raha mba ovaina hoe "hoy ny teny frantsay, na teny vahiny"? Manimba sofina be ilay hoe hoy ny teny baiko satria ohatry ny hoe voabaikon'ny frantsay isika!!! efa tapitra anie ny fanjanahana e!!!


2- Ny faharoa dia isika rehefa mampiasa teny malagasy mifangaro dia ataontsika hoe vary @anana!!! ary misy eritreritra ambadika hoe ratsy ny teny vary @anana ilay izy (misy "connotation péjorative ny tiako ambara ). Hany ka lasa ohatry ny manimbazimba ilay vary @anana satria ny vary @ anana anie ka matsiro e! :)))
Marihiko fa hevitra henoko t@ fandaharana Kidaona maraina ity resaka vary @anana ity fa tsy hoe za no tena mahita hevitra be :-P
Ary matoa napetrako teto dia tena ankasitrahako 100isan-jato ;)

Ka ny sosokevitra dia atao hoe teny mifangaro (izay tena mahalaza azy) na atao hoe vary @akotry fa tsy vary @anana


3- Ataoko miendrika fafana (tableau) ny teny diso fanaoko sy ny tokony ho fanoratakoa azy

Teny diso fanoratra

Ny tena izy

- aona

- za

- za konkoa

- kaopetra


- ahoana

- izaho

- izaho ihany koa

- poketra



4- Ireto ary no tsy haiko na dikany na koa ny tena fanoratra azy ka ilaiko soso-kevitra avy any aminareo:

  • inona no tena izy, vilia sa lovia?
  • inona no dikan'ny hoe saribakolin'ny Ntaolo?
  • blog=blaogy ve efa tena ofisialy sa napetaka fotsiny? Toy izany koa ny blaogasifera.
Ireo ary aloha ny anio, fa eritreretina mbola hitohy :D

14 commentaires:

Anonyme a dit…

tonga aho sy ny rakibolana an !
Lovia = tanty vy na porisilaina talesaka atao fasiana ny sakafo loarana.
Vilia = fivadihan'ny vaninteny ao amin'ny "lovia" izay tena teny voalohany : zavatra fasiana sakafo hohanina.
Misaotra mandray anjara ry maintikely. Afa nampirimiko any amin'ny blog-ko iray ny rohy rehetra mandra-pahitantsika vahaolana satria mafana fo be daholo dia betsaka ny pejy mitady ho lasa anaty archive.
Ato izany e
Dia hiaps kely ikalamako, izany hoe hiala pas fa mivadika ny vaninteny toa ilay lovia sy vilia.
Mbola hiverina an !

Anonyme a dit…

nandray anjara ihany i maintikely izany, mahafinaritra e! sady mankasitraka. Ilay izy hoe momba ny fitsipiky ny teny malagasy no voaresaka, fa tsy maninona koa ny resaka voambolana satria manabe voho ny teny daholo izany.

Eo amin'izay voambolana izay koa, tsy dia nivoatra loatra ny teny malagasy tato anatin'ny ampolon-taona vitsivitsy, hany ka tsy afaka hialana ilay teny vary amin'anana. Amin'ny ankapobeny aloha tsy dia mampaninona loatra koa ilay izy, fa raha anaty lahatsoratra somary "formel" no tsara raha malagasy ranoray.

Ikalamako, misaotra amin'ilay fanangonana rohy e. Tena manampy be mihitsy koa io :-)

Anonyme a dit…

Manamafy aho fa tena matsiro ny vary amin'anana. Indrindra rehefa misy hena. Izany hoe tsy maintsy teny anaki-3 no ampiasaina fara faha-keliny vao tena matsiro izy :P

maintikely a dit…

ikalamako: sotsa @fanazavana sy @fitehirizana ny rohy ;)


lap: tsy hita fa nasesiky ny teny malagasy dia lasa nanoratra ihany :)


simp: izany angaha no betsaka any!
Lasa vary @hena fa tsy vary @anana :P

Anonyme a dit…

izaho aloha indraindray dia tsy mirevy an'ilay anana ao anaty vary amin'anana dia atokako ery @ sisintsisiny ery ilay anana fa ny vary kosa hohaniko soa aman-tsara.

ny tena tsara izany amiko dia ny vary amin'anana tsisy anana na tsy dia be anana loatra !

Unknown a dit…

ny papany mpiteny hoe "lovia" foana dia homehezako foana...ouaina kely izany aho t@ iny...
Zay mihitsiny ô? nesspas Rajiosy!? lol

Unknown a dit…

ny papanay, dadanay euh
(auto-correction)

Rajiosy a dit…

tena lôviko be ny lovianao kanefa aza avilivily ny vilia fa tsisy hihinanako azy !

maintikely a dit…

rajiosy: aleo tonga dia vary soa raha izany :-P

jogany, rajiosy:aza ilaozanareo mivily @lovia eo!hihihi

Anonyme a dit…

Mampihomehy ilay resa-dovia hi hi.

Njy toa tsy nanao lahatsoratra tamin'ity faran'ny herinandro ity. (Oops, izaho mantsy ohatra ny nahatsikaritra hoe rehefa faran'ny herinandro i maintikely no mifampizara eto hi hi).

Mazotoa hatrany akia a.

maintikely a dit…

pissoa: ny an'ikalamako aza moa tongo-dovia mihitsy kanoa :)

tsisy inspiration retsy za t@ity :((
trop de pression à gérer :(

bonne semaine :D

Anonyme a dit…

Saribakolin'ny ntaolo < araka ny fahatsiarovako ny dikany dia hoe "ratsy endrika". Io dia teny azo t@ fampitoviana ny saribakoly vita vazaha sy ny saribakoly vita gasy izay vita tanana t@ rovi-damba ! Dia satria moa isika voazanaka dia toy ny ratsy tarehy izay vita vazaha no fijery azy. Fihevitra taloha izy io. Ohatra : rehefa misaringo-boridamba ny olona iray na mety ho diso be loatra ny maquillage na koa ... misy zavatra trop loatra amin'ny fomba fiakanjony sy ny fiaingony dia antsoina hoe toy ny saribakolin'ny ntaolo !

Fa raha tena dinihiko ankehitriny dia tsara ny saribakolin'ny ntaolo satria originale no vita tànana ary nandaniana fotoana ampitiavana ny nanamboarana azy.

Anonyme a dit…

Fanitsiana kely ilay teny etsy ambony, izao no tokony ho izy eo @ ilay passage hoe : "Dia satria moa isika voazanaka dia toy ny ratsy tarehy izay vita GASY no fijery azy. Fihevitra taloha izy io. Ohatra : rehefa ... "

maintikely a dit…

Misaotra akia kidaombaramita an!
Ny tena saribakolin'ny Ntaolo raha izany no tsara fa raha ilay fomba fiteny @izao manko misy akony ratsy izany ilay izy :)