lundi 28 janvier 2008

Dada

Dada olon-tokana
Masoandro amam-bolan'ny fiainako
Tsy mitandro hasasarana
Tsy mety valalanina
Satria mitsinjo an-janany

Dada be fitivana
Jiro nanazava ny fiainako
Niafy dia niafy ianao
Nanao izay azonao natao
Isaorako eto ny anaranao

Ianao indrindra no nampianatra ahy
Hiatrika ny fiainako any aoriana
Niaritra ny mafy ianao
Tsy hisy hahasolo ny anaranao
Hitoetra ao am-poko ny fitiavanao
Fitia tsy manam-petra, ny fiainanao rehetra
O! ry Dada o! Tena tiako ianao

Dada olon-tokana
Masoandro amam-bolan'ny fiainako
Nitaiza sy nanalokolo
Eny, na dia fotsy volo
Zay nataony vokatry ny fo

Dada be fitiavana
Jiro nanazava ny fiainako
Nananatra, nampianatra
Nikolokolo fatratra
Fitiavana tsy takatry ny loha

Ianao indrindra no nampianatra ahy
Hiatrika ny fiainako any aoriana
Niaritra ny mafy ianao
Tsy hisy hahasolo ny anaranao
Hitoetra ao am-poko ny fitiavanao
Fitia tsy manam-petra, ny fiainanao rehetra
O! ry Dada o! Tena tiako ianao




Tsingerin-taona nahaterahany androany. Nefa koa tsingerin-taona ny nampiova ny fiainanay satria io andro io no saika nahafoizanay azy, taona vitsy lasa izay :(
Isaorana ny ao ambony fa mbola nitahy azy, ary koa efa mihatsara andro alina ny toe-pahasalamany.

Bon anniversaire mon Papa chéri...ho tratry ny taona mitsingeringerina ary ho lasan'izay ny ratsy rehetra.

Je pense très très fort à toi...

8 commentaires:

Anonyme a dit…

bonne fety ho an'i dadan-dry retsy. dia mirary soa ho azy sy ilay zanany mpitoraka blaogy e :-P

tiko io hira io fa mankasitraka.

Anonyme a dit…

miombona hafaliana aminareo rehetra akia a ! Manaovy fety sambatra e !!!

maintikely a dit…

pissoa: misaotra akia @firarintsoa. Ampitaiko aminy ny hafatra :)

ikalamako: misaotra fa dia ho antenaina ho sambatra tokoa izy ity :)

maintikely a dit…

variana aho androany nahita fa kay mitovy ny tsingerintaona nahaterahan'i dada sy i sarkozy. Mba coincidence re izany :). Ny taonandry zareo koa aza moa tena saika nitovy mihitsy :)

Anonyme a dit…

MIarahaba ny rainao tratry ny fety. Mirary azy indrindra ho salama tsara.
Andriamanitry ny fiadanana anie homba azy mandrakariva.

DadaRabe

maintikely a dit…

dadarabe: misaotra indrindra @firariantsoa ho azy ry dadarabe :)

Anonyme a dit…

aza adino koa i Bodo nihira sy izay tompon'ny tonony. sa ahoana ? verseau izany ny dadan-driako

maintikely a dit…

rajiosy: bodo tokoa no nihira. Ny tompon'ny tonony tsy haiko re a :(. Rado no eritreretiko, fa tsy tena sûre za.

Ie verseau izy :D