mardi 16 septembre 2008

Hafatra

Il nous a quitté pour un monde meilleur mais son œuvre reste. Un de ces poèmes tiré de Dinitra.


HAFATRA

Ho any ianao,kanefa....

Aza ataonao fantany izao fahoriako izao
Fa aoka hiafina aminy

Ny ketoky ny jaly
Nanempaka ny aiko,tanatin'ny longoa
Izay namandrihany ahy...
Ny dinitry ny foko manorika ahy mangina,
Fa sempo-tsasak'alina

Misaina ity anjarako,
Aza ataonao fantany!


...Raha manontany izy,
Iangaviako ianao handainga indray mandeha !
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra
Ny saiko manontolo.
"Rako-boninkazo hoe ireo lavenon-dasa
natoraky ny Adaoro"
Ireto diary ireto lazao fa efa may
Sy tapitra efa kila...
....Fa ny volofotsiko,
Ny ketrokentron'handriko
Afeno dia afeno !

Azonao izany ?


Etsy kely koa
Hafarako ianao !Jereo raha sambatra izy !
Mba hamantaranao
dia ireto no fambara :
"Ao an' efitranony :misy voninkazo
Tsy maintsy mavokely...
Eo an-doha-fandrianany :
Ny sarin'olotiany...na iza n'iza izay "
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
Ka aza asiana resaka momba ahy akory,
F'izany rahateo no niriko ho azy...


Izay no hafatrafatro
Ka tazony tsara ...Ary dia veloma !
Saingy etsy ange !
'Ty tànanao ity, aza akasi-javatra
Mandra-pifandray ny tànanao sy ny azy...

Eny e ! Ampy izay.Tongava soa aman-tsara !
Dia akatony mora
Io varavarako io
Fa hitomany aho...


Rado, janoary 1966



NE LUI DITES RIEN

Vous allez la voir, mais...Qu’elle ne sache rien de ma peine
Elle ne doit rien savoir
Des cruelles morsures qui ont déchiré mon âme...
Dans les rêts qu’elle m’avait tendus,
Et de mon cœur en suée qui m’étouffe à minuit
Quand je songe à mon sort !


Si elle s’inquiert de moi,
Pour une fois mentez !
Dites-lui que mes pensées l’ont complètement oubliée
Et que les fleurs ont recouvert les cendres du passé
Brûlé pae les feux de la passion
Comme ces journaux intimes que vous voyez là.
Taisez ma vieillesse blanche et ridée.
M’avez-vous compris ?


J’ai encore quelque chose à vous demander :
Voyez si elle est heureuse.
Voici les signes qui vous aideront :
Il y a des fleurs, roses, sûrement,
Dans sa chambre et la photo de
Son amant à son chevet.
Si vous en voyez, c’est qu’elle est heureuse,
Alors, ne lui dites rien de moi
Il lui est arrivé ce que je souhaitais pour elle.
N’oubliez rien de tout cela,
Et adieu !


Oh ! une dernière recommandation
Ne touchez nulle chose de votre main-ci
Avant de serrer la sienne.

Oui…cela suffit. Bonne route
Et refermez doucement cette porte sur mes larmes...


Rado, janvier 1966
traduction Serge Henri RODIN



Sincères condoléances à sa famille et ses proches.


5 commentaires:

Anonyme a dit…

Vaovao nanaitra sy nampalahelo ity maraina ity :-(

Unknown a dit…

le seul poète malgache que j'ai jamais lu , je me corrige : le seul poète au monde que j'ai jamais lu! Seul Rado a su me faire aimer les rimes, snif

Anonyme a dit…

"...
Soa fa nozarina ihany ny foko
hisetra ny lozan'ny andro mandaloko
fa ho nisy azy ny famoizam-poko
raha tsy nialohavan'ireo tononkaloko"

Rado 08/07/93 - Soa fa nozarina

Anonyme a dit…

Lasa namela mamy izy e!

Tena mandalo tokoa ny fiainana.

Anonyme a dit…

kanto ilay tonokalon-dRado
HO tsarovana anie izy !