vendredi 15 février 2008

Kely sisa, tena kely sisa

Sedra

Dia nisy ahiahy tao am-poko tao

Dia nisy hakiviana ihany koa
Dia nisy ranomaso nikoriana
Dia nisy sentosentom-pijaliana
Dia nisy ny fotoana nidongiana
Izany no atao hoe sedra

Dia nisy koa ny teny tsy tana
Dia nisy ny fihetsika adala
Dia nisy lolom-po tao anaty
Dia nisy ny fiteny nahafaty
Dia nisy ny fotoana nidongiana
Izany no atao hoe sedra

Tsy ho haiko na oviana na oviana
Ny hilaza nanahoana, nanahoana
No nahatonga ireny tao am-poko tao
Nampiady ahy taminao

Ô indrisy fa tsy ampy ny herin-tsaina
Fa niova ilay fitia nantenaina
Ka ny avo no antsoina
Hanampy sy hanohana

Fa misy koa ny teny tsy tana
Fa misy ny fihetsika adala
Fa misy lolom-po ao anaty
Fa misy ny fiteny mahafaty
Fa misy ny fotoana idongiana
Izany no atao hoe sedra

Hay ve nofy ny fitia
Fa ny teny no tsara lahatra
Hay ve mora ny manadino ilay tiana
Mora ihany ny mangoraka
Ny ao am-ponao ao
Fa toa sarotra ny miaina ny fitiavanao, nefa

Na hisy ahiahy ato am-poko ato
Na hisy hakiviana ihany koa
Na hisy ranomaso hikoriana
Na hisy sentosentom-pijaliana
Na hisy ny fotoana hidongiana
Fantaro fa ianao no tiako


Il se reconnaîtra...




Une chanson du groupe mythique Lôlô sy ny tariny.
On n'est plus qu'à J-15 du rendez-vous du siècle avec le groupe.

Lolo (papillon) sy jorery (cigale) no hihaona ka tongava daholo. Avy eo mitantara @ maintikely fa maintikely manko be adidy ka tsy afaka hijery ny fahitan'ny hafa.

Indrisy manko ry zareo, ny LSNT no tarika ankafiziko indrindra (il m'est même arrivé d'écourter mes vacances pour pouvoir assister à un de leur concert en 2000 :D j'étais toute seule en plus car comme c'est les vacances, ben tous mes copains étaient en vacances hihihi), saingy izaho @ity indray mitoraka ity tsy afaka noho ny hetraketraky ny tany.

Tsy maintsy miasa hono manko raolombelona, ity jorery nefa 1 000km be izao miala ny toeram-piasana. Ny mpampiasa koa tsy miraharaha izay kaonseritra any fa dia ny asa vita no ifampitsarana (sans connotation politique aucune ;)



Enfin bref, n'oubliez pas la date du 01mars, et bonne ambiance ho an'izay andeha.

30 commentaires:

Anonyme a dit…

"notapahin'ny sefony ange
ny elatr'i maintikely
izy te handeha tsy navelany nandeha..."
tsy indry irery akia fa izahay koa tsy mba afaka fa tsy mba tonga aty Afrika ny artista malagasy a !
Entan-jarai-mora zaka!!!

Anonyme a dit…

Manao ahoana Maintikely,

Mahafinaritra ary koa mahaontsa ny tononkalonao.

Ity misy iray vao noforoniko vao teo atolotro eto :

NY ADIADINTSIKA

Aza arianao aho,
Aza ilaozanao,
Raha sendra nahateny,
Mafy tahak’ireny.

Fa tsy fanahy iniako,
Fa tsy hoe niriako,
Ny dia hila kisa,
Sy hanao an-ditra.

Ny fo rano mafana,
Ny teny anie tsy tana,
Ka ialako tsiny,
Akia ny amin’iny !

Setriny :

Tsy hanary anao,
Tsy handao anao,
Na sendra ianao niteny,
Mafy toy ireny.

Fa ny ahy ny tiako,
Ary koa ny iriako,
Dia ho paradisa,
Ny fiainantsika.

Ny teninao mafana,
Ho adino sy ho fafana,
Tsy ho asiako tsiny,
Tantara vita iny !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
15/02/08 22.27

maintikely a dit…

ikalamako: mifanohantohana eto zany tsika kanoa :D.


dadarabe: salama!
tsy anà ilay tononkalo dadarabe fa tononkiran'i LSNT nindramina fotsiny :) satria mifanandrify @zavatra iainana andavanandro. Za sy ny tononkalo manko tena roa be izao. Mamaky ihany no talentako :).
Misaotra betsaka fa dia tsara tokoa izy izany :)

Unknown a dit…

tsy aleo v atomboana eto ny karaoké raminy io? rehefa any @ LSNT daholo ny olona dia tsika eto @ Maintikely manala azy mihirahira eto...
invitation fotsiny zany an tsisy obligation fa samy mitondra boisson sy K7 lol!!
bisoux
genre on se croise dans la blogosphère tsé!

Anonyme a dit…

fa ahoana ihany izao voan'ny "battu moral" izao eee !
raha tsy diso aho i Hanitra tao @ LSNT no nanao an'io hira io... anisan'ny ao @ Cigale ve izy ?

maintikely a dit…

tsy ratsy ilay hevitra ry jogany. Ankasitrahako tanteraka. Mitady pluggin hampidirako hira mihitsy za io, hiran'i LSNT indrindra indrindra.

Tsy hadino ny sakafokafo isankarazany @io ;) (ny sainkanina sainkanina foana!hihihi)

maintikely a dit…

rajiosy: ie! i hanitra no nihira azy io :).
Tsy hoe battue morale fa tsy ratsy ilay hira :P
Tsy haiko izy na ho avy na tsia fa dia on croise les doigts.

Anonyme a dit…

ny ahy efa ato ilay karaoke an ! :-P
Mahery kosa aloha io "dia nisy" io fa tena tsy ananako ny mp3 dia tsy afaka natolotra an'i maintikely e ! (on vit des moyens à bord, tssss)

maintikely a dit…

ikalamako: tsy maninona e ao fa zay kely hananana no ifaliana :)

Unknown a dit…

Odoie!!!!
Sotra 5000x tamin'ilay lien ry ikalamako an, gravy be ambiance be ato an-trano ! aza adino ny rdv zany an.
Maintikely>tinkiete pour le VM, je t'assure les nanas sont tellement rapides je suis tro ptrop en galère dé mitady namana!

Bisoux

Anonyme a dit…

tsisy fisaorana jogany a !

maintikely a dit…

jogany: ok alors! mail moi :)
bizz

Anonyme a dit…

Ntsôôô... mapanaelo nge zany Maintikely zany e! ao akia f'efa io ikalamako sy jogany sy ny namana reetra hiara-hihirahira aminjy a!

Poo-tsi

maintikely a dit…

poo-tsi: t'es gentille toi :)

misaotra akia an! afaka manao namanay koa ndry @io ;)bizz

Anonyme a dit…

ka za ange ry maintikely fatatrindry iany fa tsy mahay afa-tsy ny hiran'i Lalatiana e! de ny hirandry anona kou, hihihi! fa ao fa mihaino anareo za e!

Poo-tsi

maintikely a dit…

Poo-tsi: efa fantatro akia an! tsy maninona fa mihaino ndry zany!lol
fa ny hirandry anona tsara kah! za marina mitady an'ilay CD farany iny fa tsy mahita :(

Anonyme a dit…

Naka fotoana mihintsy aho androany manoratra ity hafatra ity. Notantarainy i ikalamako sy jogany ahy ny mahazo anao ka somary malahelo ny havanao aty mahare izany.Matokia fa ho resahiko an drizalahy ny fitiavanao ny tarika. Mananatena izahay fa mba hisy fotoana hifankahitana ankoatry ny eto any aoriana any.
Ho any aminao ny eritretritray rehefa hihira an'i "Omeo kafe" café=petit noir=mainty kely !!!!!
Mandrampihaona eto na any amin ny toerana hafa.
Misaotra ny fitiavanareo ny hira

Avy amin' i Lolo (vao maraina mbola maizina ny ilany atsinanana)

Misaotra an i Ikalamako sy Jogany nizara vaovao

Anonyme a dit…

MERCI Lolo-snt namaly ny antso. Super
Maintikely : afa-po njy ?

maintikely a dit…

wouaouhhhhhhh! izany no tena hoe "bonne surprise"...

Lolo: misaotra betsaka nahatsiaro, misaotra betsaka nanokana fotoana nidirana teto na dia sahirana be aza ianareo @zao satria andron'ny fampisehoana androany.
Mankasitraka mankatelina tompoko.
Manantena tokoa fa mbola hisy ny fotoana hihaonana aoriana kely. Ohatra hoe manao fampisehoana aty atsimotsimo aty ianareo :D

Bonne ambiance dia bon spectacle izany satria efa eny antsehatra ianareo izao

maintikely a dit…

ikalamako, jogany: misaotra betsaka anareo roa vavy. C'était vraiment une bonne et merveilleuse surprise.

Bisous be.
Je vous adore

Unknown a dit…

oh...
mbola en état de choc i jogany...
omaly zany tamin'ny karaoké tsy azoko mihitsiny ny lazainy ikalamako hoe "surprise surprise" averiko fa hoe lé hira be tato http://chatlogs.meebo.com/room/fokoblogs/logs/2008/03/01/
non non non (na tena mafana be aza ny ambiance !)
bon je me calme je vais écrire un article dessus!

maintikely a dit…

jogany: hihihihi samy en état de choc tsika sy ndry zany. Fa choc @lé tsara fa tsy au sens péjoratif an!

bizz, on attend l'article ;)

Anonyme a dit…

Hihihi,je vous ai eu toutes les deux là....mdrrr
"vi voglio bene" les filles (je vous aime: traduction de la rédaction).
Je savais bien que jogany n'était pas du tout connectée, hihihi

maintikely a dit…

ikalamako:hihihihi et merci encore ;)

bizz et bonne semaine

Unknown a dit…

http://malagasymiray.net/2008/03/04/fevrier-sous-tous-les-tonstemps/
dédicasce Miss
je voulais mettre tout le monde mais l'inspiration me manquait si quelqu'un d'ailleurs en a je suis OUVERTE pour toute amélioration - je me suis dit carrément l'écrire en Malgache fa je suis trop trop dans les VM (oui miss je t pas filé le fichier satria mi-impose lotra lol)-

ikalamako> no comment alefako eo @ foko lé podcast t@ io fa ...pfff.....blbalablba ry zareo tany ka very be i jogany

Anonyme a dit…

grrr
les blaogy refusent mon flash, alors que je voulais te dire qu'en attendant qu'ils débarquent any atsimotsimo any, on va finir en beauté notre "jorery sy lolo" sur le net. Donc à défaut de blaogy, je te passe le "lien de clôture" :

http://nyhirako.weebly.com/5/post/2008/02/hanitra-et-lsnt.html

et gros bisous.

Anonyme a dit…

grrr, décidément !
Je répète :

clique-moi

maintikely a dit…

jogany: merci pour la dédicasse. Tu écris bien dis-donc. Un talent caché ou ... :)
j'ai bien voulu écrire un comment sur MM mais c'est quasi-impossible avec cette machine infernale. Je le ferai quand je serai chez moi :)


ikalamako: c'est ce qu'on appelle fin en apothéose :)
merci les jeunes :D

reseller web hosting reviews a dit…

This one is very nicely written and it contains many useful facts. I am happy to find your distinguished way of writing the post. Now you make it easy for me to understand and implement expressed. I really like to appear back over a typical basis, post a lot more within the topic. Thanks for sharing…keep writing!!!..

Web Hosting a dit…

This one is very nicely written and it contains many useful facts. I am happy to find your distinguished way of writing the post. Now you make it easy for me to understand and implement expressed.