jeudi 29 novembre 2007

maintikely aty @tanin'ny fotsy

Talohan'ny tena nijanonako taty dia efa mpandalondalo taty frantsa ihany ny tenako maka rivotra. Fa tsy dia nahita ambara aho ny t@zany satria tsy dia tena nahita ny andavanandro rehetra. Fa rehefa tena nipetraka dia izay vao nahita azy tsara.

Vao andro voalohan'ny fianarana aloha dia efa gagagaga daholo ny mpiara-mianatra hoe mba ahoana izany Madagasikara izany. Ka ny vahiny tao @kilasinay tsinona tavaratra, sy maizina izay efa fantatry ry zareo ny zava-misy any. Fa i Madagasikara kosa (tsy dia tiako loatra ilay hoe dago fa ialana tsiny) tsy dia mbola fantatry ry zareo tsara ny mitranga any.

Vao "pause" ary dia efa raikitra ny resaka, ny fanontaniana voalohany aloha dia ny efa mahazatra hoe tsy malahelo ve? Dia ny fianakavianao koa ve any? Nanao ahoana ny resaka fazahoan-dalana? (taorian'ny "émeute t@ 2 005manko dia niasarotra izany ) sns
Niditra lalindalina @zay ny resaka : ny lafiny ara-toe-karena any amintsika, ny resaka fianarana hoe ampy fitaovana ve, manao ahoana ny foto-drafitrasa sns

Tany am-pianarana aho no mba niresahan'olona Madagasikara ka tsy niresaka fizahan-tany sy maki sy zava-boary sns :).
Inona akory ny teo fa ny ampitson'iny ihany dia efa niresaka izany satria nisy prof iray efa nandalo tany amintsika sady tamana tany :) ka vao nahita anà dia niarahaba hoe manao ahoana ny gasikely!hihihi

Ny mpiara-mianatra rehetra izany dia nahafinaritra rehefa natao ny konty. Tsy manavakavaka tamiko aloha an.

12 izahay no mpiara-mianatra, 2no vavy fa sisan'izay lahy be daholo. Fa manavaka ihany ry zareo satria rehefa raikitra ny fivoahana vendredi joli dia ny fotsy samy fotsy ihany no mifampiantso, miaraka amiko ilay gasy kely fa ny mainty somary misy elanelana (distance) amindry zareo tsy dia haiko loatra ny antony.
Rehefa mifampiarahaba, dia raikitra ny bise fa ilay vavy mainty iray zara raha hifampiarahaba ry zareo
Mety manava-tena koa angamba ilay mainty ny marina,asa anefa :-? fa ny ahy resahako tsara daholo mba tsy hisian'ny disadisa.


Ny iray manaraka koa dia rehefa miasa, ny asako moa mifanerasera @ olona maro. Ary dia rehefa mahita an'ity maintikely ny olona dia te hahafantatra ny fihaviako angamba dia mitsatoka hoe enao ve tsy avy any ananona? (tahitianina no tena hitsatohandry zareo anà, dia ny olona efa mahafantatra gasy no tonga dia mahafantatra hoe malagasy). Dia faly ery ikala maintikely mamaly hoe avy any gasikara za kah miaraka @ "smile" be :), na koa hoe ie izay indrindra tena gasy 100% (hiran'i ricky mahafinaritra io;-)).

Dia indray andro nisy ramatoa izay niresaka tamiko hoe mba ohatry ny ahoana hono izany gasikara izany? Izy hono rehefa miresaka hoe madagasikara dia tonga dia ranomasina no tonga ao an-tsainy! hihihi
ka hoe voahodidina ranomasina angamba dia heveriny fa ranomasina no fiainana any.:)

Gaga izy rehefa noteneniko hoe an an an! misy toerana sy faritra tsy misy ranomasina koa kah! Iarivo no eritreretiko amin'io! dia eo nivanaka ilay ramatoa! hay ve ozizy!hihihi
Dia gaga izy rehefa hiresahana ny mombamomba ny any hoe mba misy grande ville koa anie any na izany aza e! noeritreretiny fa mbola mipetraka any anaty cabane daholo hono ny olona rehetra any hahaha!


Fa ity no tena nampihome anà.
Za rehefa leoleo iny dia mamonjy ranomasina, na hiver aza aty tsy dia misy rivotra loatra ny morondranomasina, ka dia mande eny foana za.

Dia nisy ramatoa mandende mikorisarisa @itony atao hoe roller, dia nahita anà izy nijanona. Za @io seriny dia seriny namaky boky. Dia niresaka ary ity ramatoa ka niresaka ka niresaka. Za @io nihanahana satria tsisy azoko ny teny lazainy. Za ary ve oa no nandra, any an-tsaiko any, sa miteny @ teny tsy fantatra ity ramatoa ity?

Rehefa elaela kely tsy niteny mihitsy za fa gaga teo dia niteny frantsay tampoka izy. Hay tsy za no nandra fa niteny t@ fiteny tsy fahareko kay izy.
Hay bresiliana izy (samy maintikely za sy izy hihihi) dia heveriny ho toy izany koa hono za dia tonga izy dia niresaka be!hahaha
Aiza ry zareo no hahaizako izay teny portugais-ny any?


Rehefa tena zohina dia tsy dia mbola tena hoe niarana fanavakavahana be aho taty (mpampianatra 2 izay ihany no tena nanirikiry anà hatramin'izao fa mbola hotantaraiko eo ihany). Vao nitady asa aho tsinona dia nahita nifanaraka tamiko ka tsy dia mbola tena nahita fanavakavahana tena niseho be, ny fifandraisako aty koa "restreinte" be dia tsy dia hitako tsara.

Manoratra eo ihany ao raha mahita toe-javatra toy izay.

7 commentaires:

Ikalakely a dit…

hihihi

'za koa tratran'io fona fa 'za ndray lazain'ny olona hoe sinoa!

mila asiana plaque 'ngamba akia ny lohantsika hoe gasy a! dia asiana liens milaza ny mobamoban'ny Mada koa

maintikely a dit…

hihihi: ohatry ny hitako ilay plaque hoe gasy ô fa tsy sinoa sady tsy tahitianina!lol

Anonyme a dit…

g laissé une com mais je ne le vois pas, tu les filtres pê ou alors chai pas! tte façon g eu une erreur, je recommence

http://maman-gasy.mabulle.com/

Anonyme a dit…

je disais donc: g vu ton blog sur kilonga je crois ou à peu de choz près, je suis friande des blogs malgaches ou bilingue; je n'ai jms été victime de "fanavakavahana" mais le jour où ça m'arrivera (car oui faudra s'y faire à cette idée en France) je pèterai tout: les câbles, le durit, les plombs...mdr alors entre temps je parcours ton blog avec grand plaisir et espère te croiser un j sur le mien. Comme t'as vu je suis au début de tes pages, prêtes à parcourrir le reste...

g laissé une com mais je ne le vois pas, tu les filtres pê ou alors chai pas! tte façon g eu une erreur, je recommence

Mitia
http://maman-gasy.mabulle.com/

maintikely a dit…

Bonjour mitia et bienvenue par ici

Non je ne filtre pas mes commentaires :))
d'ailleurs tu as réussi à y laisser quelques mots.

Je t'en remercie! j'y cours pour visiter ton blog

Mitia Fanou Thandy a dit…

na any na aty mitovytovy ihany, zay taty tsy nanana bourse no sady tsy nisy paps dia nanao au pair miambina antibavy dia sady homeny vola kely argent de poche sy sakafo dia mikarakara azy manome petit déj @ maraina sy manampy infirmière manasa azy (beurk) e e ny pipy sy ny kaka... ny WE ihany satria lasa mianatra ny semaine, dia mba afaka manao la vie kely zany mandeha mandihy @alina fa tsy maintsy miverina @oran'ny petit déjn'drafotsy, tay be t@ zany...j'espère que mon enfant vivra mieux que moi
en passant, je suis une obamaphile

Unknown a dit…

This specific Payday/Installment loan will allow you to utilizing people quick fees or it is this kind of quick quick imperative state of affairs. If you've got got having getting some style of costs {which will|which will|which is in a car title loans position to} will’t hold on till your following day enhance can come, are going to be purchased in thus you will YOU day cash enhancements in addition to use our Payday/Installment loan if you are borrowed merely the quantity of if you are sensible.