jeudi 22 octobre 2009

Chanson du moment

Elle est de rigueur à cette époque de l'année. N'est-ce pas? :-)


Hafahafa ho aho ny tontolon’izy iny
Zakaranda mipoapoaka
Fonfon-tany mando no mba tiany
Rehefa volana Oktobra

Orana mitendry ny fanitso
Izay no hira tiany indrindra
Ilay masoandro mody hamonjy ampitso
Sinemany takariva

Izy tsy nanao kahie de sovenira

Ilay alefa mandehandeha
Tsy nanangona sarina mpihira
Hatao peta-drindrina

Nampatahotra azy ny bal amin’ny alina

Tabataba matimaty jiro
Mampanonofy ratsy, nofinofy adala
Na maraina aza tsy adino

Rojo volafotsy tefin-karana
Tazako eo an-tratrany
Io no nanome ahy hazavana
Fantatro ny anarany

Lasa bitsibitsiko isan’andro
Rehefa izay mba mifanena
Lasa hirahirako atoandro
Nofiko hadiva haraina

Fa nitoetra teo iny fitiavako iny

Tsy mba nisy resa-be
Arahaba iray, tsiky no nidify
Dia samy lasa nandeha

Samy mba nanohy ny eritreriny any

Ny azy aloha tsy fantatro
Fa ny ahy niova hira ihany
Asa izay raha tsapany

Hafahafa ho aho ny tontolon’izy iny
Zakaranda mipoapoaka
Fonfon-tany mando lasa tiako
Rehefa volana Oktobra

6 commentaires:

toutouz a dit…

trop belle cette chanson!

Aponga a dit…

Une très belle chanson de Lolo sy ny Tariny.

Merci de nous l'avoir partager.

Kalaneny a dit…

Tena tiako io hira io, mahafinaritra, ary tena milaza ny zava-misy rehefa oktobra eto madagasikara, mankasitraka e !

milakory a dit…

Tononkira mafilotra tokoa :D

cheap web hosting india a dit…

pretty good post. I just stumbled upon your blog and wanted to say that I have really enjoyed reading your blog posts. Any way I will be subscribing to your feed and I hope you post again soon. Thanks!

brass strainer bowl a dit…

I found something new on this website, some of my opinions agree with that, I just want to ask for one brief opinion or tips on the article or a few sentences above and I'm sure you are more skilled in making concise conclusions and concise for that.. I found your blog, I like it.