jeudi 17 janvier 2008

Peine de cœur

.....
Nisy vahiny tonga indray

Teo ambaravaranao
Ianao nitsiky sady nampandroso

Fa fenofeno ny fonao
F'izy nanome toky hoe
Haniry hitoetra anilanao foana

Omaly tao ampôsiny
Dia nisy taratasy iray
Nilaza f'izy handray ny voromby

Ianao tsy tokony hitomany
F'efa hatrany ampiandohana
No fantatrao fa mpivahiny any izy

Fa izy ange ka mpivahiny ihany

-------------------

Lasa ny andro lasa taona

Lasa koa ny fiainako
Tao ny faly ny nisaona
Nifandimby tamiko
Tao ny mamy ny mangidy
Fa ny tena tsy tantiko
Ny andro nadrodananao
Ny mandam-piainako

Sao heverinao fa iny ranomasoko iny
Ranomasona hakiviana
Ranomasom-pijaliana ?
Tsia, tsia diso ianao
Satria antenaiko mbola ho avy ny solonao
....



A cause d'une peine de cœur foudroyante, je vais laisser le blog entre parenthèse pendant quelques jours...

7 commentaires:

  1. Manao ahoana i Maintikely.

    Namaky ireo hira aho dia lasa ny saiko ka hoy aho hoe ity misy tononkalo iray.....

    HO FAHATSIAROVANA…

    Ho fahatsiarovana, no antony hanoratako
    Ity tononkalo ity,
    Dia ny andro tena mamy, niarahanao ny lalako,
    Niainana fitia,
    Sy nifampizarana harivam-pahasambarana
    Tsy hay ho tanisaina,
    Nifanomezantsika tantaram-pahafahana
    Namelombelon’aina.

    Ho fahatsiarovana, no indro hanolorako
    Ny hira izay omeko,
    Ahafahanao mikalo, ka tsy hangorakoraka
    Rehefa izaho tsy ho eto,
    Fa na dia tapitr’aza ny ora niarahantsika
    Dia toy ny hisy foana,
    Velon’ao am-po ka tsy mba hangatsiaka
    Aharitra an-taona.

    Ho fahatsiarovana, no mbola hanorohako
    Ny molotrao manify,
    Na efa tsy ho zakako, sy efa tsy ho tohako
    Ny andro efa hidify,
    Fa misy ny fotoana eny am’fiainan’eny
    Tsy maintsy handalovana,
    Ka na fihinin’aza, tantara sisa ireny…
    …Ho zary fahatsiarovana!

    DadaRabe
    Marseille
    23/02/02 23:24

    RépondreSupprimer
  2. Misy tononkalon'i Rado fa nasian'i Baccara sound feony (mba tadidinareo ve io tarika io, toa hoe Ingahy Ngovitra, ilay nalaza ho mpanandron' Ingahy Didier Ratsiraka fahizany, no lehiben'izy io) asetriko izao andro ratsy izao, dia hidio amin'izay ny parenthèse fa izahay eto "namana foana" :

    Hery hafa

    Tohano lemipaika
    ny rivotra mifioka, fa zavatra mandalo !
    Na inona herivaika
    lalovanao ry foko, tone mba tsy himalo !

    Ny vero raha miraika :
    tsy folaka tsy akory, fa mandry dia miarina
    Raha sendra diso paika,
    mangina, dia banjino ny tanjona hotratrarina

    Raha lanitra tomefy
    mirendrarendra sento, voleo masoandro-nofy
    Fa hery tsy mba lefy
    ny fonao manantena, ka io no irakofy !

    (Rado - 1969)

    Kiss akia a !

    RépondreSupprimer
  3. dadaRabe: arahaba! tsara dia tsara ilay tononkalo. Misaotra betsaka @ ilay tononkalo fa tena manohana fo. Na te hamaly aza moa za, dia tsy mahay e! mametraka tononkira sy mankafy ny asasoratry ny hafa no haiko :(.

    Ikalamakoa: misaotra betsaka @ilay tononkalon'i rado. tsy haiko akia ilay baccara sound :(.
    Efa mikantona ny parenthèse fa efa milay ny fiainana @zao. Coup de blues angamba ny filaza ireny :)

    Misaotra fa tena namana marina :)

    RépondreSupprimer
  4. Manga sahady ny Lanitra é!
    Mahafinaritra

    DdRb

    RépondreSupprimer
  5. faly aho fa efa mihidy ny parenthèse. Efa nandalondalo matetika ihany aho ka hita izao fa tsara ny tantana.
    Tsy manaiky ho fanina e !

    RépondreSupprimer
  6. dadarabe: :D


    ikalamako: misaotra @ fandalovana :).
    Aleo tsy manaiky ho fanina fa ny fiainana mandalo ka manjary manahirana :P

    RépondreSupprimer
  7. maintikely> mila manala azy kely njy d adino dôly zany retraretra zany: ndao tsika handeha handihy haingana :-P

    ilay hira nosoratan-njy vôloany io tiako loatra, Lolo ahhhhh: j'aime plus que Mahaleo même :-D

    RépondreSupprimer